<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>615</hymn_number>
<title>Ry Jehovah Ray mahery! FFPM615</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah, Ray Mahery !
 Indreto ny mpanomponao ;
 Fa mpanota saiky very,
 Nefa tsy mba foinao ;
 Fa ny masonao mijery
 Ny fanahinay mania ;
 Ny fitaomanao mahery
 No miantso hoe : Avia !

[V2]
 Ry Jehovah, Ray Mpitahy
 Izay rehetra ory fo !
 Ny tsy manana mpiahy
 Mora resin'ny manjo ;
 Zovy ary no hanahy
 Raha miankina Aminao ?
 Eny, faly ny fanahy
 Izay matoky Aminao.
 .</lyrics>
</song>